Marka 7.14-23

Ny mahaloto ny olona

1- Tsy izay miditra ao anatin’ny olona

Niteraka olana teo amin’ny Fariseo sy ny mpianatr’i Jesoa, ny amin’ny fihinanan-kanina tamin’ny tanana tsy madio. Ahitsin’i Jesoa izany fiheveran-dison’ireo mpitarika jamba mpitondra fivavahana izany, izay namindra izany tao amin’ny vahoaka. Nihevitra mantsy izy ireo fa izay miditra ao amin’ny olona no mampaloto azy. Hamafisin’i Jesoa eto fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy (and 18), fa ao amin’ny kibo ihany ka dia mivoaka ao amin’ny fivoahany (and 19). Avahan’i Jesoa tsara ny fo sy ny kibo eo amin’ny fanazavany, satria variana tamin’ny zavatra ivelambelany ny Loholona sy ny Fariseo. Tsy izay miditra ao amin’ny kibo akory dia mahaloto ny olona.

2- Fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona

Ny fo indray no resahana eto fa tsy ny kibo. Ny fo no mitahiry ireo karazan-javatra maloto toy ny sain-dratsy, fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’ olona, niny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana… Ireny rehetra ireny dia avy ao anatin’ny fo ka mahaloto azy. Nambaran’i Jesoa izany mba tsy hahadiso hevitra ny mpihaino sy ny mpamaky. Koa izay manan-tsofina izay ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

Fanontaniana:

Inona avy ireo heverin’ny olona fa mahaloto ankoatra ny voalaza eto?

Sampana Sekoly Alahady Foibe