LIOKA 9.28-36

Ny olona mahita ny Voninahitr’Andriamanitra

1-Te-hiara-monina amin’i Jesoa Kristy

«Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, …» (And. 33) Teny nataon’i Petera tamin’ny niovan’i Jesoa tarehy teny an-tendrombohitra izany. Nahita an’i Mosesy sy Elia niseho niaraka tamin’i Jesoa izy ireo. Mosesy sy Elia izay maneho ny Lalàna sy ny Mpaminany. Jesoa Kristy izay ambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany no Voninahitr’Andriamanitra. Te-hiara-monina sy hanompo an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy no hevitr’ilay hanangana tranolay. Araka izany, Jesoa Kristy no Voninahitr’Andriamanitra, ka izay rehetra mitady hahita ny Voninahitr’Andriamanitra dia tsy maintsy mijery an’i Jesoa Kristy. Ary izay maharitra mijery an’i Jesoa Kristy ihany no mahita ny Voninahitr’Andriamanitra.

2- Mahafantatra ny lalam-pamonjena

«Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. » (And. 35) Tamin’ny vanim-potoana anelanelany, ny feo no namantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Eto dia Andriamanitra mihitsy nо manambara ny maha Mpamonjy sy Mpitsara an’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy no natsangan’Andriamanitra ho Mpamonjy ny olona rehetra ka tokony hohenoina. Ka izay rehetra mihaino sy mino Azy no handray famonjena avy Aminy, indrindra amin’ny andro fitsarana. Noho izany dia ny feo rehetra mitarika ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy no tokony hohenoina, satria izany no avy amin’Andriamanitra. Ary tsy avy aiza akory izany feo izany fa avy amin’ny Soratra Masina (Lalàna sy Mpaminany).

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy ahafahanao mihaino ny feon’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe