Romana 8.18-25
Kristiana miandrandra ny voninahitr’Andriamanitra
1- Maharitra fahoriana (and. 18- 23)
Manoro làlana antsika ny Soratra Masina anio mba hahatonga antsika hiara-manam-boninahitra amin’i Kristy rahatrizay .Tsy valisoa, na tombontsoa ihany no ilatsahana ho kristiana, fa hiara-manam-boninahitra amin’i Kristy dia izay manantena vonona hiara-miaritra fahoriana Aminy koa. Anjakan’ny fahafatesana sy ny fahalovana ny zava-mananaina rehetra, eny hatramin’ny olombelona aza (and.22, 23). Efa niaretan’i Kristy avokoa ny fahoriana lehibe, ny fiaretana amin’ny fanaintainana: ny fiatrehana ny oza, ny famoizana izay sitraky ny fo, ny fanoavana an’Andriamanitra izay tsy maintsy niafara tamin’ny fahafatesana…Izany rehetra izany no làlana nizorany ho any amin’ny voninahitra. Ny fahoriana anjaran’ny Kristiana amin’izao
fiainana izao dia tokony hampitodika azy amin’ny ho avy, dia ny fiainana mandrakizay, ka ilazany hoe: « Fa ataoko fa ny fahoriana amin ‘izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. » (and.l8)
2- Manana fanantenana (and.24)
Ny fanantenana no hery lehibe tsy afa-misaraka amin’ny finoana(1Kor 13.13). Ka na dia misento sy marary aza ny mpino amin’ny andro ankehitriny, dia feno fanantenana. Ary izany fanantenana izany dia mahatonga azy hino fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hanafahan’Andriamanitra ny zavatra rehetra tsy ho eo ambany herin’ny ota intsony, vokatry ny asan’i Kristy, izay fototry ny finoantsika. Ny finoana sy ny fanantenana dia samy manambara zavatra tsy mbola hita sy miseho tanteraka, nefa kosa dia
mampahery ny fontsika amin’ny fiandrasana ny fisehon’ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny faharetana (and.25).
Fanontaniana:
Inona no antenainao aorian ‘ny fahafatesana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM