Jeremia 1.4-10
Maneho ny voninahiny ny Tompo.
1- Amin’ny alalan’ny fifidianany
Anatin’ny fotoan-tsarotra no niantsoan’Andriamanitra an’i Jeremia ho mpaminany tao amin’ny faritr’i Joda. Fotoana mialoha indrindra ny nandravana an’i Jerosalema sy ny fahababoana tany Babylona. Fotoana izay nanoheran ‘ny vahoaka an’Andriamanitra ka nianteherany tamin’ny hery hafa mba hanoherany ny fahavalo. Mbola zaza tokoa i Jeremia raha nandre ny antson’ny Tompo ka nanambaràny fa efa nanana drafitra mikasika ny fiainany Andriamanitra (and.5). Asehon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifidianany ny mpanompony ny halehiben’ny voninahiny. Izay takiany amintsika kosa dia ny handehanantsika araka ny sitrapony sy ny fikasany hamonjy sy hanafaka antsika mbamin’ny mpiara-belona amintsika. Izy no manamasina ny mpanompo izay fidiany, Izy no manendry araka ny fikasany hamonjena ny olony (and.10).
2- Amin’ny alalan’ny fanomezan-toky.
Matetika dia heverin’ny olona ho sakana eo amin’ny fanatanterahany ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy ny fahakelezany, na izay heveriny ho tsy fahampian’ny traikefa ananany. Raha amin’ny maha- olombelona tokoa mantsy dia hita fa tsy mora ny asa anendrena . « .. Ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana ,hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly » (and.10) Eo anatrehan’izany no anehoan’Andriamanitra ny halehiben’ny hery sy voninahiny. Manome toky Izy fa tsy handeha irery izay irahiny. Izy no hiaraka aminy ka hamonjy azy (and.8). Izy no hanome ny Teny izay holazaina (and.9). Raha Andriamanitra tokoa no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? (Rom 8,31 ).
Fanontaniana:
Inona no sakana amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM