Salamo 113. 1 – 9
Midera an’Andriamanitra! « Haleloia! »
Izany antso izany no fiantombohana sy fiafaran’ ity Salamo ity, izay azo adika hoe: « Miderà an’i Jehovah »
1- Amin’ny fotoana toy inona no hiderana Azy?
« Isaorana anie ny anaran’i Jehovah. Hatramin’izao ka ho mandrakizay .Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, no hoderaina anie ny anaran’i Jehovah » (and.2,3). Mahazatra ny maro midera sy misaotra an’ Andriamanitra, rehefa mba metimety ny ataony, na tanteraka izay rehetra nangatahiny tamin’ny Tompo. Tsy diso akory izany. fa araka izay hita eto dia tsy maintsy midera an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ny mpanompony, fa tsy ho amin’ny fotoana na toe-javatra manokana ihany: “hatrizao ka ho mandrakizay; manomboka amin ‘ny fiposahan’ny masoandro ka mandra-pilentiny « . Na aiza na aiza toerana misy antsika, manerana izao tontolo izao, ary na inona na inona toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika dia tsy maintsy midera Azy isika.
2- Nahoana no tsy maintsy hidera Azy isika?
Raha ity Salamo ity no dinihina dia ireto ny antony hiderana Azy: « Avo ambonin ny firenena rehetra ny Tompo, ambonin ‘ny lanitra ny voninahiny« . (and.4 DIEM). Tsy takatry ny sain’ ireo firenen- drehetra ny fahalehibeazana sy ny fahambonian’ Andriamanitra. Na dia Avo indrindra sy be voninahitra aza Andriamanitra, dia miondrika ka mijery sy mihevitra ireo olona mahantra sy voahilikiliky ny mpiara-belona, ary manarina azy ireny hiala amin’ny fako sy ny fahalotoany (and.7). Tanteraka izany tamin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany nanafaka antsika amin’ny fahalotoana sy ny fahatrana ara-panahy mba hananantsika anjara ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (Jereo Mat 5.3).
Fanontaniana:
Azontsika sary an-tsaina ve ny fahalehibeazan ‘Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM