Romana 15.7-12
Ny fifandraisan’ny samy Kristiana « Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra » (and 7)
1- Ho tahaka ny nandraisan’i Kristy azy.

Tahaka ny nandraisan’i Kristy, dia tokony ho toy izany koa ny fifandraisana hisy eo amin’ny samy kristiana, ka ampandeferina avokoa izay rehetra mety hitondra ho amin’ny fisaratsarahan’ny Fiangonana. “Fa Kristy aza tsy nitady ny Azy, fa nofoanany ny tenany tamin ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin ‘ny olona » (Fil 2.7) Noho izany dia tena adıdin ny Kristiana izay efa manana fifandraisana tsara amin’i Kristy ny manao izay hifandraisany amin’ny namany amin’ny fitiavana sy fanetren-tena rehetra.
2- Fifandraisana anaty fahasamihafana

Somary nanahirana an’i Paoly ny nandamina ny fiaraha-monin’ny Kristiana Jiosy sy Jentilisa , satria mifandona ny toe-tsaina sy ny fombam-pivavahana roa samy hafa. Ny Jiosy aloha no nitoriana ny Filazantsara sy nanambarana ny fahamarinan’Andriamanitra, mba hahatsiarovany ny teny fikasana tamin’ny razany (and8). Fa ny Jentilisa koa, rehefa nandray ny Filazantsara, dia mba afaka nirehareha, noho ny fanantenany « Ilay Solofon’i Jese« , araka izay efa nambaran’ny mpaminany. Samy tarigetra hotratrarina na ny firaisam-panahy eo amin’ny antokom-pinoana kristiana tsirairay, na ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana kristiana izay mety ho hafa fijery nohon’ny an’ny tena. Koa raha sitrapon’Andriamanitra ny hanangona amin’ny vala iray ny Jiosy sy ny jentilisa, dia vao mainka hanao tahaka Azy ny olona navotany, ka hifandray tsara ary mahazo manantena fifaliana sy fiadanam-po (Jereo and.13)
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy hahafahan’ ny fiangonana kristiana rehetra ho tonga fiangonana tokana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM