Isaia 12. 1-6
Ny andraikitry ny olom-boavonjy

1- Midera sy mankalaza an’Andriamanitra
Niodina tamin’Andriamanitra ny olona ka nanompo andriamani-kafa, nanompo sampy, nanadino ny fankalazana Andriamanitra. Ho avy anefa ny andro : «amin’izany andro izany», andro mitarika indray ny olona ho amin’ny fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra rehefa mandray ny famonjen’ Andriamanitra izy ireo. Nanota ny olona, efa tezitra tamin’ny olona Andriamanitra kanefa namindra fo sy niantra Izy ka namonjy. Izany famindrampon’ Andriamanitra sy famonjena noraisin’ny olona izany dia mahatonga ny olona hankalaza Azy hatrany. Efa namindra fo taminao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra, mankalazà Azy isan’andro.

2- Manambara ny asan’Andriamanitra
Mifamatotra amin’ny fankalazana an’Andriamanitra ataon’ ny olom-boavonjy ny fanambarana ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany ho fantatry ny hafa na koa ny taranany mba hiampita ny finoana. Hoy ny fanambarana ny asan’Andriamanitra eto : «Indro Andriamanitra no famonjena ahy… miantsoa ny anarany ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany…». Ny olom-boavonjy dia sahy maneho ny finoany, mijoro Vavolombelon’ny asan’ Andriamanitra teo amin’ ny fiainany mba ahafahana mizara ny finoana amin’ny hafa sy mitaona ny hafa ho amin’ny famonjen’Andriamanitra. Efa notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny famonjena antsika.
Fanontaniana:
Lazao, ambarao izany. Amin’ny fomba ahoana no entinao maneho ny finoanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM