Alakamisy 14 Desambra 2023

by Mofonaina–SA-FJKM

Hebreo 2. 10-18

Ankalazao ny Mpamonjy!

1- Nahafoy ny ainy Izy.

Nandao ny voninahiny i Jesoa Kristy mba hahafahany mitondra antsika, mamerina antsika ho amin’ny fihavanana amin’ Andriamanitra. Naka ny endrik’ olombelona Izy mba hahazoany mamonjy antsika. Nihatra taminy ny fahoriana, nanaiky hijaly noho ny fahotantsika lzy, nihatra taminy ny fahafatesana izay tokony ho nihatra tamintsika. Izany fanekeny ho faty izany no nahafahany nandresy ny herin’ny fahafatesana ka nitondrany ny olona ho voavonjy amin’ny fiainana ao amin’ Andriamanitra indray. Jesoa Kristy nahafoy ny ainy no làlam-pamonjena ho antsika. Koa mankalaza Azy !

2- Azo antoka ny famonjeny.

Tafasaraka tamin’Andriamanitra noho ny ota ny zanak’ olombelona. Ny fahotana no efitra mampisaraka ka tsy handraisan’ny olona ny tena fiainana. I Jesoa Kristy no Mpisoronabe tena miavaka, nanolotra ny tenany ho fanatitra teo amin’ny hazo fijaliana. Fahafatesana teo amin’ ny hazo fijaliana mandrava ny efitry ny fisarahan’ny olona tamin’Andriamanitra, eny fanatitra tokana nahatonga an’ Andriamanitra hamidrafo sy hamela ny fahotan’ny olona. Vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny famonjena antsika. Azo antoka ny famonjena satria ny Rany no nalatsaka ho fanavotana antsika. Nitsangana tamin’ny maty ihany koa Izy mba handraisantsika ny fahavelomana mandrakizay. Mankalazà Azy mandrakariva !

Fanontaniana:

Mahazo antoka ny amin ‘ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ve ianao ? Hazavao sy ifampizarao amin’ny hafa.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fjkm Filadelfia