Joela1.15-20
Ny fahatanterahan’ny andron’i Jehovah
1- Fitotonganan’ny vahoaka (and 16a; 20)
Hita soritra eo amin’ny fiainan’ny vahoaka fa efa tonga ny andron’i Jehovah. Mitotongana ny andavan’androm-piainan’ ny vahoaka, voalaza fa mikorontana ny ara-toe-karena. Ry havana, Andriamanitra no mpamorona antsika, ary ny hatsembohan’ny tava no ihinanana. Eto anefa, na te -ho tsemboka aza ny tava dia tsy mahita hanina satria tsy misy ny asa izay anisan’ ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Mampahery antsika ny Tenin’i Jesoa hoe: «Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany» (Mat.6.33). Isika olombelona aza mahalala manome sakafo ny zanantsika, mainka fa Izy Andriamanitra, aoka hifikitra mafy Aminy isika!
2- Fitotonganan’ny fiainana ara-panahy (and 16b)
ka tsy mahita fifaliana intsony amin’izany izy. Ry havana, tsy maintsy hisy olana ny fiainantsika ara-panahy rehefa malahelo
Andriamanitra ka manjary tsy mahita fifaliana intsony amin’ny fanompoana Azy. Ny nataon’i Joela mpaminany teto dia nitaraina tamin’i Jehovah Andriamanitra (and 19). Mampahery eto
no voa mafy indrindra: mitotongana ný fiainany ara-panahy.Tsarovy, fa Andriamanitra, Ilay mahay ny zavatra rehetra mihitsy no tena ilazana ny zava-manjo.
Fanontaniana
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM