1 Tesaloniana 4.13-18
Ho avy ny Tompo !
Hisy zava-droa loha hiavaka tsara amin’izany: Fotoam-pifaliana izany. « ...Isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny aminny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ». Ho antsika izay mitoetra amin’ny finoana Azy, izay mbola mihazona ny finoana na inona na inona nanjo ary manakina ny fiainana Aminy, fa tsy nivily lalana nitady famonjena tamin’ny zava-poana, mahatoky amin’ny finoana Azy: ho fotoam- pifaliana ny fiaviany satria hiakarantsika mitsena Azy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Dia ho any amin’i Jesoa mandrakariva isika (and.!7).
Fotoam-panavahana izany.
Tsy mba hialoha izay efa nodimandry akory isika hoy ny Tompo kanefa tsy hiakatra hiaraka amintsika ihany koa izay tsy mino. Rehefa tonga avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Tompo ka tsy miakatra isika, dia anisan’izay tsy ho voavonjy sy tsy handova ny lanitra. Ny teny hoe hakarina dia milaza ny herin’ny Tompo manala antsika eto amin’ity tany be faharatsiana ity. Aza mangataka andro, fa anio dia aoka hiala amin’ny famatoran’ izao tontolo izao. Jesoa Kristy ihany anefa no afaka nahavita izany. « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. » (Jao 8.36)
Fanontaniana:
Jereo ny ankohonanao, dia iza avy ianareo no mety ho tavela?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM