Zoma 13 Oktobra 2023

by Mofonaina–SA-FJKM

1Korintiana 7,1-16

Ny fanambadiana

1-Fiombonana aina

« Aoka ny lahy hanao izay mety amin’ny vavy,ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy » (and.3) . Ity andininy ity dia miresaka indrindra amin’ny fiombonana aina manokana eo amin’ny mpivady,dia ny firaisana ara-nofo izany. Ambaran’i Paoly Apostoly fa manana zo hitovy amin’ny firaisana ara-nofo ny mpivady ary toy ny trosa tsy maintsy aloa mihitsy izany raha ny teny fototra no jerena. Araka izany ,ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia adidy tsy maintsy atao, ho mariky ny fanehoam-pitiavana amin’ny vady. Noho izany , tsy ifanerena akory izany fa atao amin’ny fitiavana.Voatokana ho an’ny mpivady ihany izany ary masina satria manana hevi-pinoana lalina, dia fifandraisan lalina eo amin’i Kristy sy ny Fiangonana izay vadin’i Kristy.

2-Fahefana

«Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy» (and.4). tamin’ny andron’i Paoly Apostoly, dia kely kokoa ny zon’ny vehivavy raha mitaha amin’ny zon’ny lehilahy. Manazava ny Soratra Masina fa mitovy ny zo sy fahefan’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny tokantrano. Ary mbola lasa lavitra kokoa aza satria ny lahy tsy tompon’ny tenany fa an’ny vavy ary ny vavy tsy tompon’ny tenany fa an’ny lahy. Ny fanambadiana dia fiaraha-monina eo amin’ny olona mitovy zo sy fahefana sady mifampiankina. Mitaky fifampidinihana eo amin’ny mpivady avokoa ny fiainana rehetra ao anatin’ny tokantrano fa izany no fampianarana araka an’i Kristy.

Fanontaniana :

Ahoana no fomba fanapahan-kevitra eo amin’ny mivady?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fjkm Filadelfia