Lioka 15,1-7
1-Mitady ny ondry very
«Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?» (and.4). Aleon’i Jesoa mifandray amin’ireo sokajin’olona izay mahatsiaro tena ho mpanota, toy izay ireo olona misora-tena ho manana ny marina, manao azy ho efa tanteraka, ka mihevitra fa tsy misy na inona na inona tokony hibebahana intsony. Hoy ny Tompo : «tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.» (Lio.5,32)
2-Manana faharetana
«…ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?» (and.4). Eto dia tsy nijanona ilay mpitady ny very raha tsy efa nahita vokatra, nahita ilay ondry very. Araka izany dia tsy mionona fotsiny amin’ny asa fikarohana ny mpitory ny Filazantsara. Tsy manao soa tapany ary tsy mijanona raha tsy mahita vokatra. Aoka ary hisy fitohizana hatramin’ny farany ny asa fitoriana ny Filazantsara mba hahitana vokatra
3- Mandray ampifaliana ny ondry very
Rehefa avy nitady ny ondry very ny mpitory, dia nampiasa ny teknikam-pifandraisana izay hetsika hita maso sy azo tsapain-tanana enti-maneho ny fandraisana am-pifalina ny ondry very ka hita indray : nataony teo antsorony, faly izy, namory sakaiza izay ka nanao hoe «Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very». Raiso ampifalina ireo olom-baovao nanolo-tena
Fanontaniana
Ahoana no hatao amin’ireo olom-baovao nanolo-tena?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM