APOKALYPSY 3.7-13

Mijoroa amin’ny finoana

Filadelfia dia fiangonana nahatoky, satria sady nitana ny tenin’i Kristy no tsy mba nandà Azy . Fiangonana niaritra ny fahoriana sy ny fampahoriana nataon’ny hafa ary nanohitra mba tsy hanaraka ny fironandratsin’ny sasany. Fiangonana naharitra tamin’ny fifikirana tamin’i Kristy sy ny fahamarinan’ny Filazantsara izany fiangonana izany (and10). Noho izany ,ny faharetan’ny fiangonana tao Filadelfia tamin’ny finoana sy ny fatokiana no nanomezan’Andriamanitra toky hamonjena azy- amin’ny andron’ny fakam-panahy.

Koa ho an’izay maharesy ka mijoro amin’ny finoana dia Andriamanitra no hiaro azy. Koa satria mahatoky ny mpino mijoro sy miaritra ,i Jesoa Kristy dia hanome valisoa ho an’izay maharitra mitana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny finoana marina. Ny fiangonana tao Filadelfia dia nanana toetra mahatoky, nijoro tamin’ny finoana,nitana ny Tenin’i Kristy ary tsy mba nandà Azy. Koa ho antsika fiangonana ankehitriny, aoka haharitra amin’ny finoana .Mifikira amin’i Kristy, mahareta amin’ny teniny,matokia Azy, aza miova, mijoroa ho vavolombelona eo anatrehan’ny hafa mba ho fianarana ho azy ireny . Miambena am-bavaka mba tsy ho voafitaka fa ho maro ny fakam-panahy .Tsy varavarana hahazoana mandositra amin’ny fotoan-tsarotra ny varavarana izay nosokafana ho an’ny fiangonana fa maneho ny herin’ny Filazantsara (2 Kor 1.4) .

Fanontaniana :

Teo amin’ny fiainam-pinoanao,mba ohatra azo alain-tahaka ho an’ny hafa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM