2 Mpanjaka 6, 14-20

Izay tena mijoro amin’ny finoana

1-Manana fatokiana feno

« Ary hoy Elisa: Aza matahotra, fa ny momba antsika dia be noho momba azy » (and 16). Feno fatokiana Elisa fa ny Andriamanitra ivavahany dia matanjaka lavitra, mafy lavitra noho ny andriamanitry ny fahavalo. lzy no tena mpitarika mahay ka na ha tsy hita maso mivantana aza ny miaramilany, izay tena mijoro amin’ny finoana dia mahalala fa « ny anjelin’i Jehovah mitohy manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy » (Sal 34,7).

2-Mifandray hatrany amin’ny Tompo

« Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony hahitany » (and 17a). « Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto » (and 18). « Jehovah ô, ampahirato ny mason’ireto olona ireto » (and 20b). Nifandray tsy tapaka tamin’ny Tompo Elisa, ary izay nangatahany dia notanterahan’ny Tompo. Aoka ho fiainantsika ny mifampiresaka hatrany amin’ny Tompo araka ny voasoratra hoe: « Mivavaha ka aza mitsahatra » (1Tes 5,17). Atao am-panetren-tena anefa izany.

3-Mahazo fiarovana sy fandresena

Fanontaniana Tamin’ny alalan’ny vavaka natao am-pinoana dia nisy tokoa ny « tendromhohitra feno kalesy afo manodidina an ‘i Elisa » (and 17d). Nanjary nanjambena ny fahitan’ireo fahavalo. Elisa ilay natao hazalambo indray no lasa mpitari-dalana ireo fahavalo izay hitady azy (and 19). Narovan ‘ny Tompo Elisa ka nody maina ireo fahavalo. Zava-dehibe ny fijoroana amin’ny finoana manoloana ny fiatrehanany fahavalo.

Fanontaniana

Inona no mampiavaka ny olona mijoro amin ‘ny finoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM