II Tesaloniana 2.13-16
Ny fifidianan’Andriamanitra
1- Andraisana famonjena
« … satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany hahazo famonjena … » (and. 13)
Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly Apostoly satria isan’ny olom-boafidin’Andriamanitra ireto Kristiana tany Tesalonika ireto. Ny tanjon’izany fifidianan’Andriamanitra izany, dia famonjena amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanamasinan’ny Fanahy Masina. Araka izany, matoa miantso sy mifidy olona Andriamanitra dia tiany hiorina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy izany olona izany ka ho isan’ny olom-boavonjy. Mikendry famonjena ny antso sy ny fifidianan’Andriamanitra. Ka izay rehetra mandray izany antso sy fifidianana izany amin’ ny finoana an’i Jesoa Kristy no ho voavonjy. Koa aoka tsy hisaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny famaliana ny antso sy fifidianan’ Andriamanitra.
2- Anaovana asan’Andriamanitra
« no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra. » (and. 17)
Niraviravy tànana ny Kristiana tany Tesalonika noho ny fisian’ny mpampianatra sandoka izay milaza fa tsy ho avy ny Tompo. Very izay rehetra efa nodimandry. Nalahelo ny mpino. Nampahery azy ireo tamin’izany i Paoly Apostoly ka nampahatsiaro fa mila miasa izy ireo. Andriamanitra no mifidy olona mba hanao asa tsara kanefa tsy ho vita izany raha tsy manana fanantenana. Nofidin’Andriamanitra hiasa sy hilaza zavatra tsara ny mpino. Ary ny tanjon’Andriamanitra amin’ny mpino dia tsy ny ho any an-danitra aorian’ny fahafatesana ihany, fa ny hanahaka an’i Kristy dieny izao ihany koa. Ka ny asa sy ny teny tsara rehetra dia manampy antsika amin’ny fahalalana izay tsy mbola fantatra momba an’i Kristy.
Fanontaniana.
Inona no mampahery anao amin’ny asan’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM