Isaia 44. I-5


Ao anaty fahababoana no indro maniraka ny mpaminany hampahery ny vahoaka ny famonjena sy fitahiana Izy, sady mampanantena hanome ny Fanahiny ihany koa. Eto dia ataony tsapan’ny vahoakany mihitsy fa tsy nariany akory izy ireo; ary tsy miova ihany koa ny fitiavany azy. Mivoitra amin’ny anarana iantsoan’Andriamanitra ny vahoakany eto izany.
1- Jakoba, mpanompoko (and lb)
Anaram-boninahitra ny hoe: « mpanompon’Andriamanitra velona ». Io anarana Jakoba io dia mampahatsiaro ny « Patriarka » maneho fa fidian’Andiamanitra manokana ary iandaniany mihoatra noho ny hafa rehetra ny vahoakany. «Jakoba no tiako fa Esao no halako» (Mal 1. 2, 3; Rom 9. 13). Ary na dia teo aza ny fahalemena nanamarika an’i Jakoba dia tsy nanakana an’Andriamanitra tsy ho tia azy izany.
2- Isiraely izay nofidiako (and ld)
Mampanantena Anaram-baovao nomena ny Patriarka voalaza teo ny hoe : Isiraely ary anarana niantsoana ny taranany sy firenena manontolo mihitsy koa. Ny hevitry ny hoe : Isiraely dia « hanapaka toy ny mpanjaka Andriamanitra ». Mbola fifandraisana maneho izany fa karakarain’ Andriamanitra ny olony, izany mantsy no anjara asan’ny mpanjaka, mihevitra izay hampiadana ny vahoakany .
3- Jesorona, izay nofidiako (and 2b)
Ny hevitry ny hoe: Jesorona kosa dia « marina » na « mahitsy« , kanefa koa azo adika hoe : mahafinaritra, mahomby. Entin’Andriamanitra maneho izany, fa ho amin’ny fahombiazana (fodiana) no drafitr’ Andriamanitra ho azy. Ny andininy manaraka rehetra ao (and 2 – 5) no mampiranty izay rehetra hataon’ny Tompo amin’ ny olony.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahatsapanao ny fitiavan ‘Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM