Hagay 2. 20-23


Miantefa amin’i Zerobabela, solontenan’ny fanjakana Persa tany Jerosalema ka niandraikitra ireo Jiosy nody avy am-pahababoana ny halatra entin’ny mpaminany eto. Voatsipika mazava ao anatin’izany fa ny olona nofidian’Andriamanitra dia:
1– Anehoany ny heriny (and 2)
«Lazao amin i Zerobabela, governora any Joda fa hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany dia hahohoko ny seza fiandrianan ‘ny fanjakana, ary hofoanako ny herin ‘ny fanjakan ‘ny firenena.. » 10 teny 10 no nasain ‘Andriamanitra nampitain’i Hagay mpaminany tamin’ I Zerobabela. Azontsika takarina avy amin’izany fa tian’Andriamanitra ho fantatr’i Zerobabela tsara fa Andriamanitra tompon ‘ny tantara lzy, manana ny hery sy fahefana rehetra ary masi-mandidy ka ataka manao izay tiany atao araka ny haben ‘ny voninahiny. Amin’izany dia hahazo toky i Zerobabela fa tsy miatrika irery ny fitondrana ny vahoakan’Andriamanitra no sady hivoaka ho npandresy satria Jehovah no hiady ! Mitaona antsika hatoky ny Tompo koa izany, ary mampahatsiaro ny Tenin’iJesoa hoe: «efa nomena Ahy ny fahefana rehetra fa ataoko ho toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy i Jehovah Tompon ‘ny maro». lzany teny fanomezan-toky sady porofom-pitiavana lehibe izany dia entin’Andriamanitra kosa maneho anin’i Zerobabela fa tena tia azy izy. Ny fanombohan-kase mantsy dia nampiasaina hanamarihana antontan-taratasy manan-danja, ary tahaka ny hoe sonian’ny mpanjaka mihitsy koa aza. Moa tsy izany va ny tenin’i Jesoa hoe : « hianareo no sakaizako » (Jao 15.14)
Fanontaniana :
Ahoana ny fahatakaranao ny fifampiankinan ‘ny fifidianan’Andriamanitra sy fitiavany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM