Isaia 49. 1-7


1- Hiteny amim-pahasahiana (and 2)

«Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako» hoy ny mpaminany eto. Hevitra fonosin’izany ny hoe : natao hiteny sy hampita izay asain’Andriananitra ambara izy, ka na dia mety hanohintohina ny olona aza izany, dia tsy maintsy ampitainy araka izay nanafaran’ Andriamanitra azy. Ny sabatra mantsy dia fitaovam-piadiana enti-mamely,noho izany tsy tokony hihafihafy ny mpanompon ‘Andriamanitra ka hanamboamboatra ny Teny sao hoe tsy zakan’ny olona, fa hiteny amin-kery sy fahasahiana hahazoan’ny olona tsara izay tian’ny Tompo ambara. Tahaka an’ i Jesoa izany, masiaka mihitsy amin ny fotoana sasany (Mat 23. 14)
2- Hampiseho ny voninahiny (and 3)
«Mpanompoko ianao ry Isiraely ô , izay entiko mampiseho ny Voninahitro » hoy ny Tompo eto. Mihasinkasina amin’izany fa ataon’Andriamanitra fitaovana entina maneho ny voninahiny ny mpanompony , izany hoe : manaiky ampiasain’ ny Tompo fa tsy mampiasa tena, ary amin’ny fanatanterahana ny iraka dia mikendry mandrakariva ny Voninahitr’ Andriamanitra, fa tsy mitady
voninahitra ho an’ny tena ka hanjary fitenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra indray.
3- Hiatehitra Aminy ihany (and 5)
Mazava ny filazan’ny mpaminany: «…ary Andriamanitro no heriko », manaiky ho fitaovana izy kanefa koa tsy mihevi-tena ho mafy be ka handeha amin’ny herin’ny tenany fotsıny, na hitoky amin’olona, na zavatra hafa fa am-panetren-tena no ilazany fa Andriamanitra no heriny. Isika koa, ianaro izany, ka tsy hihevi- tena ho zavatra !
Fanontaniana:
Hatraiza ny fiainantsika ny maha- olomboafidin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM