Matio l2. 14- 21


Mampianatra antsika ny mofonaina anio fa, ny mahamaika ny olom-boafidin’Andriamanitra dia:

1-Ny manao soa (and 9- 13)
Fanontaniana mifono fandrika no napetraky ny fahavalon’i Jesoa hoe: «Mety ve ny manasitrana amin ‘ny sabata? » (and l1),nikendrena hiamparngana Azy satria nahasitrana ilay lehilahy maty tànana Izy. Valin-teny maranitra sady feno fahendrena kosa no nomen’i Jesoa ka nahatankina ireo nikasa hamely Azy. Navoitran’iJesoa mazava tsara, fa ny famonjena sy ny fanaovan-tsoa no laharam-pahamehana fa tsy ny fombafomba ivelany.
2- Ny mahatontosa ny fanompoany (and 14, 15)
Manoloana ny fihendrena hamono Azy, izay voambara eto fa fantatr’i Jesoa, dia niala Izy. Tsy hoe tsy sahy niatrika na natahotra akory i Jesoa, fa fantany kosa fa mbola misy anjara fanompoana hafa tsy mbola tanterany, ary tsy mbola eto ny «fotoany» ka niroso ho amin’izany Izy, porofon ‘izany dia voatantara eto fa nositranin’i Jesoa avokoa ny olona betsaka nanaraka Azy (and 15). Isika koa. katsaho mialohan’ ny zavatra rehetra ny hahavita ny iraka.
3- Tsy ny hisehoseho (and 16 -21)
« Ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy » hoy ny fitantarana. Aseho miharihary amin’izany fa tsy mitady laza amam-boninahitra akory ny olom-boafidin’ Andriamanitra fa ny mifanohitra amin’izany aza, ny hanao izay hampihasinkasina ny voninahitr’ Andriamanitra ka manaporofo fa tanteraky ny Tompo
hatrany ny Teniny. Fanetren-tena feno izany. lanao koa milaza hoe: «lzy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena» (Jao 3.30).fahavalon’i Jesoa

Fanontaniana:
Mahatsiaro fa olom-boafidin ‘Andriamanitra ve ianao? Ahoana ary no iainanao izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM