ISAIA 49.8-13
Raha ny Tompo no manafaka dia…
1-Mihaino Izy ka mamonjy
Ao anaty fahoriana ny olona no miantso sy mila vonjy .Ary asehon’Andriamanitra fa tsy mitampina ny masony ary tsy mitsentsina ny sofiny fa mandre sy mahita ny olony .Ambarany fa anio no andro famonjena , anio no andro fankasitrahana .Ankoatra ny fihainoany dia hamonjy Izy.Tssaroana eto ilay teniny hoe: »Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko …ary efa reko ny fitarainany ..eny fantatro ny alahelony » (Eks 3.7). Ho antsika indrindra izao teny izao .Izao no fotoana famonjena ho antsika sy taona fankasitrahana ary tena andro andraisany andraikitra hanafaka ny olona izay miantso Azy.Hamoaka ny mpifatotra Izy , dia isika mbola voageja ny aizim-pahoriana sy aizim-pahotana . « Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very » (Lio 19.10)
2-Mamerina ny tontolo ho vao
Tsy hoe :hamoaka ny olona avy ao amin’ny fahoriana lalina fotsiny Andriamanitra fa manomana tontolo tsara voatra hovantaniny ihany koa. Tendrombohitra mangadihady hisy ahitrav,hisy loharano miboiboika hitondrany ny olony. Rava ny tontolo iainana noho ny fahotantsika olombelona ary na ny tany aza tsy mamokatraa ny tany. »raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony ,dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny » (2 Tant 7.14) . Jesoa moa efa nampanantena fa Izy ho avy hananantsika fiainana be dia be » (Jao 10.10)
Fanontaniana:
Inona no mbola tsy hahatanterahan’izany amintsika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM