JAONA 20.19-23

Jesoa no fiainam-baovao ho antsika

Ny zava-niseho taorian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty no ambaran’ny Soratra Masina amintsika anio .

1-Niseho tamin’ny mpianatra Izy

Ny marainan’ny andro voalohany tamin’ny herinandro no nisehoany nitsangana teo afovoan’ny mpianatra izay mbola niaina tao anatin’ny tahotra sy ny famiozam-po .Raha iverenena ny tantara dia ny andro voalohany amin’ny herinandro koa no hahalalana fa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo (Jao 20.1à . Vaovao mahafaly momba an’i Kristy mpandresy izany ka ankalazana sy anomezam-boninahitra Azy isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro .

2-Manonona « fiadanana« ho antsika Izy

« Fiadanana ho anareo » (and21) .Izany no voalohan-teny nataony tamin’ny mpaiantra .Teny fiarahabana fanaon’ny Hebreo izany sady tsodrano .Ny fampiasan’i Jesoa izany teny izany ho an’ny mpianany dia mba hananan’izy ireo fitonian-tsaina hialan’ny tahotra sy ny tebiteby samihafa noho ny toe-java-misy niainany ,mba hananany fifaliana tanteraka .Maniraka antsika fiangonana , tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy ny Tompo mba hitondra fiadanana ho an’izay miaina ao anatin’ny tebiteby sy ny tsy fandriampahalemana .

3-Manome ny Fanahy Masina Izy

Ny fampiasan’ny mpanoratra ny andianteny hoe : « nanisy fofonaina » (and22) dia nampahatsiahy ny tantaran’ny faharian’Andriamanitra ny olombelona (Gen 2.7) . Ny fanomezana ny Fanahy Masina no mahatonga izay rehetra mandray izany ho olombaovao . Ny Fanahy Masina no hgitari-dàlana antsika ho amin’ny fandresena ny fahotana rehetra .Raiso ny Fanahy Masina .

Fanontaniana:

Ahoana àry ny fomba handraisantsika ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM