1 TESALONIANA 5.12-21

Kristiana mahay miara-monina

Asehon’ny Soratra Masina antsika anio tokony ho fiaraha-monin’ny samy kristiana .

1-Kristiana manaja mpitondra fiangonana

Efa voalaza ao amin’ny didy folo rahateo ,fa ny fanajana ny ray amandreny dia mitondra soa sy fitahiana .Tsy ny ray sy reny niteraka ihany no tokony hajaina sy eken-teny ,fa eo koa ny mpitondra fiangonana izay voatendrin’ny Tompo hitarika sy hananatra ny vahoakan’Andriamanitra . »Ary mangataka aminareo izahay ,ry rahalahy mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo ». Endriky ny fankatoavana an’Andriamanitra izany ,satria izy ireny no mpitondra hafatra avy amin’Andriamanitra (and20) . Mirindra ny fiaraha-monina rehefa manao araka ny andraikitra napetraka taminy ny tsirairay (and19) hanao ny asany araka ny tokony ho izy ny mpitondra , ary ny vahoakan’Andriamanitra kosa hankato.

2-Kristiana miara-miasa sy mifanampy

Ny fiaraha-monin’ny samy kristiana no tokony ho modely ho an’ny olona rehetra .Ny fiombonan’ny mpino anefa dia ivondronan’ny karazan’olona samy hafa . Anjarann’y matanjaka ny mampahery sy mananatra ny malemy ,ka hoy ny Apostoly : « Ary mananatra anareo izahay ry rahalahy , anaro izay tsy mitoetra tsara ,omeo toky ny malemy saina ,ampaherezo ny reraka » (and14).Ankoatran’izany dia ilaina ny fahaiza-mandefitra sy ny tsy fiezahana hamaly ratsy , ary koa hifanasoa . Ny fiainam-bavaka sy ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina no antoka hahatanterahana izany mba ho tena fiainam-pifaliana tokoa no iainan’ny samy kristiana .

Fanontaniana:

Azo heverina ve ny fisian’ny samy kristiana tsy mifankatia? Inona no antony ? Inona no vahaolana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM