ANDRIAMANITRA MIASA NY FANAHY MASINA

Mpitsara.3:7-11

I- Aza manao izay ratsy eo imason’i Jehovah ( and.7-8)

– Nanadino an’i Jehovah ny Zanak’Isiraely.

Nanompo ireo Bala sy Aseraha izay sampin’ny jentilisa.

– Vokatr’izany dia tezitra tamin’ izy ireo Jehovah.

Koa tandremo , aza manao izay ratsy eo imasony ianao.

Tandremo ny toetranao. Tandremo ny fitondrantenanao. Tandremo izay ataonao eo imason’Andriamanitra fa hotsarainy ianao. Aza manao ratsy. Hazony mafy izay tsara fa aza mifikitra amin’ny ratsy.

II- Voasazin ‘Andriamanitra izay mivadika Aminy izay mivadika Aminy( and.8)

 » Dia nirehitra tamin’ Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah la nivarotra azy tamin’ny mpanjakan’i Mésopotamia Izy » nandritra ny 8 taona.

– Tsarovy fa io Andriamanitrao io dia mety tezitra sady manafay no manasazy .

– Rehefa manao izay ratsy eo anatrehan’ny Tompo ianao dia tezitra aminao Izy. Manafay anao Izy.

– Mitandrema amin’ izay ataonao rehetra fa mitsinjo anao ny mason’i Tompo. Aza miandry fahatezerana vao hiverina Aminy.

III- Mamonjy ny mitaraina i Jehovah (and.9-11)

– Rehefa nitaraina tamin’ Andriamanitra ny Zanak’Isiraely. Nihaino Jehovah ka namonjy azy ireo tamin’ny alàlan’ny Mpitsara izay notendreny hamonjy ny olony.

– Tsy azonao hararaotina amin’izany izany anefa Izy.

Ho anao izay efa nanao ratsy. Mibebaha ka miverena amin’i Jéhovah mba handosiranao amin’ny fahatezeran’Andriamanitra mirehitra.Nandry fahizay nandritra ny 40 taona ny Zanak’Isiraely.

R.Robert Mpitandrina