ROMANA 6.1-14

Araka ny fampianaran’ny fiangonana dia tarihana ny olona rehetra na iza na iza mba hatao batisa. Fantantsika tsara moa fa misy ny fampianaran’ny fiangonana izay tsy maintsy atao ho an’izay hiditra sy maniry hanana anjara amin’izany sakramenta izany . Sanatria tsy mandiso izany akory isika eto fa milaza izay foto-pampianarana ambaran’i Paoly ambonin’izay efa ampianarin’ny fiangonana ihany . Milaza àry iPaoly eto , fa ny batisa raisin’ny kristiana dia fampiraisana ny olona atao batIsa amin’ny fahafatesana izay nahafatesan’i Jesoa Kristy. Koa izay natao batisa dia manaiky fa efa nanombo ny fahotany izay entin’ilay « olona taloha » tao anatiny tao . Lazaina izany hoe : efa maty ny fahotana nangeja ny olona tao amin’ny vatany araka ny nandevonana ilay « olona taloha » tao amin’i Jesoa Kristy .Tsy mijanona ho amin’ny fahafatesana anefa , fa indro velona Jesoa Kristy mba hahavelona izay rehetra ao Aminy indray .

Atolory àry ny tena ho an’Andriamanitra

Hamafisina àry fa izay rehetra vita batisa dia ilazana hoe : efa maty miaraka tamin’i Jesoa Kristy . Tsy tokony hanana fifandraisana aminy intsony ny fahotana , izany hoe : tsy ekena hanolotra ny momba ny tena ho amin’ny fahotana intsony, satria efa afaka tamin’izany ,araka ilay fahafatesana efa nisy . Na izany aza anefa , olana ho an’ny olombelona ihany izany noho izy mbola miaina sy mivelona ety ambonin’ny tany ka nifanerasera amin’ny zavatry ny tany feno faharatsiana . Izany indrindra àry no hanolorana ny tena ho an’Andriamanitra mba hitarihany sy hitahiany ary hanampiany ny olona .

Fanontaniana :

Inona no hevitry ny batisa araka ny ambaran’i Paoly eto ? Ahoana no tokony ho fiainan’ny kristiana vita batisa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM