ASAN’NY APOSTOLY 10.34-43

Novonoina ary nahantona tamin’ny hazo i Jesoa

Raha ny lojikan’ny fiainan-janak’olombelona dia izay mandika lalàna sy manao ratsy no helohina na saziana araka ny heloka na faharatsiana vitany .Hita mihitsy fa marina ara-tSoratra masina izany toe-javatra izany ,satria voalaza hoe : ny fahafatesana no tambin’ny ota (Rom 6.23). Diso kosa anefa izany lojika izany raha miresaka an’i Jesoa Kristy manokana , satria tsy nanota velively Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany (1 Pet 2.22), kanefa dia novonoina ary nahantona tamin’ny hazo izy . Koa mba ho famonjena ny olona àry dia nanaiky nahantona tamin’ny hazo sy novonoina i Jesoa Kristy satria raha tsy nanaiky hatao izany Izy dia tsy misy fanavotana azon’ny olona .

Natsangan’Andriamanitra kosa anefa Izy

Novonoina Izy nefa tsy nijanona teo amin’ny fahafatesana akory ny zava-nisy fa indro Izy novelomin’ny Tompo Andriamanitra indray . Araka izany ,ny fandaminana sy ny fanamboarana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra noravan’ny olona dia nataon’Andriamanitra tokoa ary tsy nataony ho an’ny olona voatokana ihany akory izany fa ho an’izay rehetra mino Azy. Mbola hamafisina eto ve fa izay olona matahotra Azy ,ka manao ny marina no ankasitrahany avy amin’ny firenena rehetra ? Izany hoe : tsy manavaka na iza na iza mihitsy akory ny Tompo fa tiany ho voavonjy avokoa ny olona rehetra raha toa ka manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy, vonona hiala amin’ny tsy fahamendrehany ary vonona handao tanteraka ny faharatsiany ka hanaiky ny finoana sy ny fanarahan-dia Azy .

Fanontaniana :

Mitondra inona ho an’ny mpino ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM