MATIO 28.1-7

Jesoa Kristy Tompo

1-Mpandresy ny tahotra

« Aza matahotra ianareo » (and5 b) .Nitondra tahotra sy horohoro teo amin’ny mpiambina ny fasana ny fahitana ny anjelin’ny Tompo izay nanakodia ny vato,mitafy lamba fotsy tahaka ny orampanala .Toe-javatra tsy mahazatra no natrehana teto : aizina , fasana ,fitafiana fotsy tahaka ny orampanala .Ny hafatra voalohany nambaran’ny anjely dia ny fanalana ny tahotra . Jesoa Kristy Tompo no mandresy ny tahotra . Ny Tenin’ny Tompo no mpanafaka antsika .

2-Mpandresy ny fahafatesana

« Tsy ato Izy fa efa nitsangana « (and6) .Vavolombelon’ Ilay efa nandresy ny fahafatesana ny anjely ,ny mpiambina, ary ry Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray . Resin’i Jesoa ny fahafatesana tsy nahatazona Azy ny fasana .Na dia teo aza ny fiatrehana ny hazo fijaliana izay nandatsahany ny Rany ho mariky ny fitiavany antsika dia nandresy Izy . Velona ny Tompontsika . Jesoa no santatra amin’ny fandresentsika .

3-Marina amin’ny Teniny

« Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy » (and6).Efa nanambara ny Tompo fa tsy maintsy hoatrika ny hazo fijaliana indray avy eo .Na dia niteny izany aza anefa Tompo dia azo lazaina fa nandalo fotsiny tamin’ireo mpianatra izany . Eto àry dia mampahatsiaro ny Tenin’ny Tompo sy anjely ary mampiharihary ny fahatanterahan’izany . Araka izany , ny fandraisana am-pinoana ,fandraisana am-po ny Tenin’ny Tompo no isan’ny vaha-olana ho antsika hahazoantsika misitraka herin’ny fitsanganana amin’ny maty .raiso ho anao ny Teniny .

Fanontaniana :

Mitondra inona avy ho antsika ny fandresen’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM