EKSODOSY 33.12-18
Ny irak’Andriamanitra no mitondra famonjena
1-Mangetaheta fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra
Mosesy no fitaovana teo am-pelatànan’Andriamanitra hitondra ny fikambanamben’ny Israelita eto .Nanana fahasahiana hiresaka amin’Andriamanitra izy .Fa hoy indrindra I Mosesy : “Indro fa ianao milaza amiko hoe …”. Marina fa niaritra ny mafy i Mosesy noho ny fivadibadihan’ny zanak’Israely , nefa tsy kivy izy fa vao mainka nangataka tamin’I Jehovah. Nifandray akaiky taminy izy ka ny fahafantarana ny sitrapony no nataony zava-dehibe. Ny tena irak’Andriamanitra dia mikatsaka mandrakariv mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra . Ny famakiana ny teniny izay voarakitra ao amin’ny baiboly no antoka voalohany hahalalantsika ny sitrapony ,fa voasoratra hoe : “Ny lalàn’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo “ (Salamo 119.72)
2-Mahatsapa ny lanjan’ny fiarahana amin’Andriamanitra
Mialoha ity resaka nifanaovan’Andriamanitra sy Mosesy ity dia nikasa handao azy ireo Andriamanitra (and 1,3).Nalahelo ny Zanak’Israely ,toa mahatsapa fahabangana sahady izy ireo raha tsy hiara-hiakatra aminy Andriamanitra .Tsapan’i Mosesy eto ny maha-tsinotsinona ny olony sy ny lanjan’ny fiarahana mandeha amin’Andriamanitra .Tena hafa tokoa ny miara-mandeha amin’Andriamanitra , satria antoky ny fandresena sy ny fahatanterahan’ny zavatra kasaina . Meteza hiara-mandeha Aminy .
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fampiharanao ny iraka izay nampanaovin’ Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM