JAONA 7.14-24

Ny olona avy amin’Andriamanitra

1-Milaza ny fahamarinan’Andriamanitra

« …fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy  » (and18)

Tamin’ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy teo an-kianjan’ny Tempoly ny nanomezan’ny olona tsiny Azy nahazo tsiny Izy satria tsy mba fantatry ny olona ny toerana nianarany nahazoany izany fahalalana izany . Tamin’izany no nanambarany fa milaza ny marina araka an’Andriamanitra Izy satria mitady ny Voninahitr’Andriamanitra .Amin’ny fampianarana rehetra ataonao , dia aza mitady voninahitra ho anao fa ataovy marina araka ny anambaran’Andriamanitra izany . Ny olona mampianatra fahamarinana araka an’Andriamanitra no manome voninahitra an’Andriamanitra .

2-Manao ny asan’Andriamanitra

« Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : asa iray loha ihany no nataoko ,ka gaga avokoa ianareo rehetra  » (and21)

Antony niteraka olana nahatonga ny olona hankahala an’i Jesoa Kristy ny asa mahagaga nataony tamin’ny nanasitranany ny andro sabata . Asan’Andriamanitra anefa izany ataony izany .Asa mitondra famonjena ho an’ny hafa sady ho fanehoana ny maha-fanazavana an’i Jesoa Kristy . Ny olona avy amin’Andriamanitra no manao ny asan’Andriamanitra , ary ny asan’Andriamanitra izay ataon’ny olona avy amin’Andriamanitra dia miteraka famonjena ho an’ny hafa . Koa mianara an’i Kristy , ataovy ny asan’Andriamanitra ho famonjena ho an’ny mpiara-belona mila vonjy ary ekeo eo amin’ny fiainanao fa Jesoa Kristy fahazavana no manazava ny fiainan’ny olona mila vonjy .Ny tanjon’ny asan’Andriamanitra dia famonjena.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga anao mbola mankahala ny fahamarinana araka an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM