2 SAMOELA 12.7-15

Andriamanitra manitsy ny olony

1-Manambara ny fahadisoany

« koa nahoana ianao no nanamavo ny Tenin’i Jehovah ka nanao izay ratsy teo imasony ? » (and 9)

Nanota teo anatrehan’Andriamanitra i Davida tamin’ny nakany ny vadin’i Oria sy nanaovany izay hahafaty an’i Oria . Nanoloana izany dia naniraka an’i Natana hanambara ny fahadisoan’iDavida taminy Andriamanitra .Nampahafantatra tamin’iDavida ny fahadisoany Andriamanitra .Toy izany koa ny Soratra Masina : ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra dia tsy maintsy manambara ny fahadisoan’ny olona .Mila manaiky ny olona fa ratsy eo anatrehan’ny Tompo . Koa raha misy manambara aminao ny fahadisoanao dia aza tezitra aminy na miady aminy fa fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny finoana an’iJesoa Kristy izany .

2-Mamela ny helony

« ...efa nanota tamin’i Jehovah aho…Jehovah efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao » (and13)

Teny nifanakalozan’i Davida sy Natana izany .Rehefa ren’i Davida ny fanamelohana azy noho ny fahotana nataony dia niaiky ny fahadisoany teo anatrehan’Andriamanitra izy.Namela ny fahadisoany Andriamanitra ka tsy maty i Davida. Na izany aza anefa ,dia maty ilay zaza naterany tamin’i Batseba . Mamela ny heloky ny mpanompony Andriamanitra izay miaiky ny fahadisoany kanefa dia misy sazy famantarana fa efa nanota tamin’Andriamanitra ilay olona . Andriamanitra mamela ny heloky ny olona ,saingy mizaka ny vokatry ny nataony ihany koa ilay olona . Jesoa Kristy no famindrampon’Andriamanitra . Ekeo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fahotanao dia hamela ny helokao Izy .

Fanontaniana :

Ahoana ny fiheveranao izany hoe: « voavela heloka »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM