EFESIANA 6.10-20

« ary raiso ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy «  (and17)

1-Raiso ny Tenin’Andriamanitra

Raha ny teny fototra no jerena , ny hoe : RAISO eto dia toy ny olona mandray zavatra natolotra azy ary izany indrindra no hevitry ny Soratra masina eto : avy amin’Andriamanitra , natolony ho antsika ny teniny . Izy no manam-pahefana hanolotra izany ho antsika , satria mila mampiasa izany isika eo amin’ny fiainantsika .Tsy misy na inona na inona hahazoantsika misedra izao tontolo izao afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra . Ny mandray amin’izany dia vonona hampiasa izay noraisiny .Tonga fitaovana eny am-pelatànantsika ny Teny .

2-Raiso ho sabatry ny fanahy

Ny sabatra dia fitaovana entina miady sy hanoherana fahavalo . Amin’izany ny tanjona dia ny haharesy tosika ny fahavalo .Fitaovana mahomby tokoa ny sabatra tamin’izany fotoana izany .Tsy avelan’Andriamanitra hiady irery isika fa tolorany fitaovana mahomby sy azo antoka hanoherantsika ilay ratsy mitady hambabo antsika . Ny Tenin’Andriamanitra no atolony ho antsika . Ny Tenin’Andriamanitra no atolony ho antsika .Raha te-hahita fahombiazana isika da tsy maintsy mandray izany . « Fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela » (Heb 4.12)

Fanontaniana :

Milazà fomba fandraisana ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM