DEOTERONOMIA 4.32-40

Ny fananan’ny vahoaka an’Andriamanitra

no tombony lehibe ho azy

And 33 ; Andriamanitra ao anaty afo nefa velona ny olona itenenany . Eto dia fampitahan’i Mosesy ny vahoaka Israely amin’ny vahoaka amin’ny firenen-kafa .Tsy misy amin’ireny andriamanitra tsy izy ireny miteny amin’ny vahoakany ao anaty afo lehibe , fa Jehovah Andriamanitra kosa dia efa niteny tao amin’ny vahoakany tao anaty afo kanefa tsy nisy naninona ny vahoaka .

And 34 : Andriamanitra mahavita mamolaka filoham-panjakana manan-daza sy hery ka namotsotra ny vahoakany . Nnihavitra ny vahoaka Israely fa ao amin’ny taniny dia ao Kanana ihany no mihatra ny fahefana maha-Andriamanitra an’i Jehovah Andriamanitra . Kanefa diso izany satria hatramin’izao tontolo iza aza dia ananany fahefana ary na dia ireo filoham-panjakana miseho ho mahery sy matanjaka ary madi-doha aza dia voafolany . Ambaran’i Mosesy eto aza fa izay mpanjaka niseho nampahory ny zanak’Israely vahoakany dia nahita faisana avokoa .

And 38 : Andriamanitra manome tombotsoa materialy ho an’ny olony .Tsy mbola nisy tokoa angamba teto amin’izao tontolo nahavita nandroaka vahoaka iray firenena ka nanala azy tao aùmin’ny taniny ary nanolotra izany ho an’ny vahoakany dia tany tondra-dronono sy tantely . Ny tany izay tsara indrindra , manan-karena, mamokatra indrindra no nomeny ho lovany . Sambatra isika fa hoy ny Salamo 33.12 « Sambatra ny firenena izay mananan an’i Jehovah ho Andriamaniny »

Fanontaniana :

Toy inona no anoharanao antsika kristiana ampitahaina amin’ny vahoaka hafa eo amin’izao tontolo izao amin’ny fananantsika an’i Jehovah Andriamanintsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM