MARKA 5.35-43

Tsy voafetran’ny lalàn’izao tontolo izao ny herin’ny Tenin’Andriamanitra (and36b)

« Aza matahotra, minoa fotsiny ihany » . Mino fotsiny fa tsy maty io olona io , izay no tian’i Jesoa ambara . Olona efa maty ,saingy vitan’i Jesoa ny namerina ny ainy . Ny herin’ny tenin’i Jesoa no namelona indray ilay zazavavy .Tena mahery ny Tompo . Ny Teniny fotsiny dia efa mahavita izay tsy vitan’ny olombelona manam-pahaizana rehetra teto ambonin’ny tany hatrizay . Ny lalàn’izao tontolo izao dia mandiso ny momba ny famerenana aina amin’ny maty toy izao ataon’i Jesoa izao . Amin’ireo manam-pahaizana ara-tsiansa eto amin’izao tontolo izao dia mahalala tsara ny tao hoe : fifandrihozim-panazavana na ny « déterminisme » ka ny anton-javatra mitovy dia miteraka mandrakariva zavatra mitovy ao anatina fepetra mitovy. Eken’ny siantifika rehetra izany . Eto anefa dia toherin’i Jesoa tanteraka izany. Mangina sy mitampim-bava araka izany ny manam-pahaizana manoloana ny herin’ny teniny . Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Genesisy 18.14 « fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? » . Feno zava-mahagaga ny asan’Andriamanitra ka tsy azo terena hanaraka izay lalàna apetraky ny fahaizan’olombelona .Manambara izany ny ambaran’ny mpanao Salamo 105.5 « tsarovy ny asa mahagaga izay nataony dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany ». Izany no maneho ny maha-Andriamanitra Azy , ary ny teniny dia misy fahefana tsy hay tohaina izay mampikoy ny fahavalony rehetra . Mahery ny Tenin’Andriamanitra , lehibe sy mahatalanjona ny asany . Sambatra isika olony.

Fanontaniana :

Tena mino tokoa ve isika fa manana fahefana tsy hay tohaina toy izany i Jesoa Kristy Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM