I

ISAIA 65.17-21

Ny fanavaozan’Andriamanitra

1-Mitaona ny olona hifaly

Tontolo roa tsy afa-misaraka ,mahalavorary ny fiainana ny lanitra sy ny tany . Ny fahotana anefa no nitondra ny fahafatesana teto amin’izao tontolo iainantsika ankehitriny izao .Indro Andriamanitra manome toky sy mamelona fanantenana inray fa « mahary lanitra vaovao sy tany vaovao » Izy . Tontolo vaovao zay anjakan’ny fifaliana sy fiadanana ary fandriampahalemana mandrakizay no atolony satria Andriamanitra no manjaka ao .Izany fampanantenan’Andriamanitra mpahary izany indrindra no mitaona ny olona hifaly satria fa fantatra sy hita fa tsy sanatria fampanantenana poakaty tsy akory .

2-Fanambinana ho an’iza tontolo izao

Andro maro sy taona ela iainana no fanambinana ambaran’ny Soratra masina eto .Iza tokoa moa no tsy maniry izany ? Fanampin’izany dia eo ihany koa ny fahavokarana. Ary araka ny voalaza eto « …ny mponina aza dia hahatratra zato taona vao hazonina« . Fampanantenana miantefa mivantana taminn’y firenen’Israely avy any am-pahababoana moa izao teny izao ,ka dia hitantsika eto ny firesahana ny amin’ny mbola hisian’ny fahafatesana satria na fiainana feno fanambinana tokoa aza izany , dia mboa voafetra ihany .Tsarovy àry ry havana