ISAIA 64.7-11

Ny asan’Andriamanitra eo amin’ny olona

1-Manefy sy mamolavola

Ao anatin’ny fiaiken-keloka nataon’ireto vahoaka Jiosy no hahatsiarovan’izy ireo fa zanak’Andriamanitra sady asan’ny tànan’Andriamanitra izy ireo .Nihatra tamin’izy ireo tokoa mantsy ny fahatezeran’Andriamanitra nohony ditran’ny fony sy ny fanadinoany fa Andriamanitra no nanao azy ho firenena .Izao izy ireo vao tonga saina ka nangata-pamelana .Tsaroan’izy ireo indrindra rehefa nitodika tamin’Andriamanitra fa tsy afa-misaraka amin’ilay Andriamanitra ny fiainany ,toy ny tanimanga izay tsy afa-manao na inona na inona amin’ny herin’ny tenany samirery , fa rehefa manaiky hovolavolain’ny « mpanefy« azy kosa dia tonga fanaka sarobidy sy mahavita asa tsara .

2-Mananantra sy mitaiza

Ahariharin’izao Tenin’Andriamanitra izao fa zava-doza tokoa ny fahatezeran’Andriamanitra rehefa mihatra amin’izao tontolo izao . Faharavana sy fahoriana noaterak’izany ,nefa koa ho fitaizana no anton’izany rehetra izany ,satria « ny zanaka tiana noanarina sy faizina » .Araka izany dia aoka hotsaroantsika mandrakariva fa mamela malalaka antsika hisafidy izay fiainana tiantsika Andriamanitra ,fa tsy mankasitraka ny barahanahiny sy ny fanaranampo amin’ny ratsy ka dia mananatra sy mitaiza antsssssika Izy. Zava-doza rahateo ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra . Koa aza miandry hodonan’ny fahatezeran’Andriamanitra vao hahatSiaro tena hiala amin’ny ratsy.

Fanontaniana :

Tsapantsika ve ny fitiavan’Andriamanitra miseho amin’ny fananarany antsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM