ROMANA 9.19-26

Andriamanitra no Tompo sy Mpahary antsika

1-Afaka mamonjy izay tiany hovonjena Izy (and 19-21)

Nambaran’i Paoly fa tsy miankina amin’ny naha-Jiosy na tsia no hamonjena ny olona,fa na ny Jiosy aza rehefa tsy mino an’i Jesoa Kristy dia tsy ho voavonjy . Ary na Jentilisa aza dia voavonjy rehefa mino. Oharin’ iPaoly amin’ny tanimanga tsy afa-manda izay tian’ny mpanefy vilany tany hatao aminy ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra (and 21). Ny tanimanga aza ,hoy izy, izay tsy noforonin’ny mpanefy vilany tany akory tsy afaka manda izay tiana hatao aminy akory ,mainka fa ny olombelona izay sady noforoniny no fananany ? Mahazo manao izay tiany hatao amin’ny olombelona rehetra Andriamanitra . Azony ampiasaina amin’izay tiany hitondrana azy ny olombelona rehetra ,na ny Jiosy na Jentilisa .Ary tsy misy afaka hitsara sy hanome tsiny Azy amin’izany .

2- Afaka mifidy izay tiany hifidina Izy (and22-26)

Izay kendren’Andriamanitra indrindra dia ny hampahafantatra ny haren’ny voninahiny amin’izay « fanaky ny famindrampo »(and 23). Ny « haren’ny voninahiny  » dia ilazana ny olona izay namboariny ka nataony vonona handray ny fitahiana avy aminy . Ny fahafahan’Andriamanitra hifidy izay tiany hofidina dia miseho amin’ny fiantsoany ny Israely vaovao , dia ny fiangonana kristiana « tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny Jentilisa koa »(and24). Ary na dia izay efa tafasaraka tamin’Andriamanitra noho ny faharatsiany aza dia azony raisina rehefa mibebaka (and25-26). Isaorana anie Andriamanitra izay nanome an’i Jesoa Kristy ho famonjena ny olona rehetra .

Fanontaniana :

Inona tokoa moa ny dikan’ny hoe : « Jentilisa »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM