OHABOLANA 8.22-36

Ny fahendrena

Endrika maro no hanehoan’ny bokin’ny Ohabolana ny « fahendrena » ,matetika dia maka ny toeran’ny olona miteny sy mananatra izy. Amin ‘ity manaraka ity izao dia milaza fa :

1-Hatrizay hatrizay ny fahendrena (and 22-23)

Raha vakintsika tsara ireo andininy ireo dia voalaza amin’izany fa efa tao amin’Andriamanitra hatramin’ny tantaran’ny fahariana ny fahendrena. « Izaho notendreny hatramin’ny fahagola. Eny, hatramin’ny voalohany indrindra dia fony tsy mbola ary ny tany »(and23) .Raha izany no izy , dia nandray anjara tamin’ny fahariana izao rehetra izao ny fahendrena. Mampitodika antsika amin’i Jesoa Kristy izany teny izany, satria Kristy no herin » Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra (1 Kor 1.24), ary Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita,lahimatoa talohan’izao rehetra izao .Noho izany dia azo lazaina eto fa tsy hafa ity « Fahendrena‘ » ity fa milaza an’i Kristy sy ny fahafenoany rehetra tao amin’Andriamanitra mpahary hatrizay hatrizay.

2-Mahasambatra ny fananana « Fahendrena »(and 32-36)

« Koa mihainoa ahy ianareo , anaka fa sambatra izay manaraka ny diako »(and32). Miteny toy ny ray aman- dreny mananatra ny zanany ny « fahendrena ka mitaona azy ireo hanaraka sy hankato azy mba hananany fahasambarana sy ahazoany fiainana . « Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah «  (and 35). Izany dia milaza ny fahasambarana sy ny fiainana mandrakizay , izay omen’Andiamanitra antsika amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanarahana an’i Jesoa Kristy izay efa nilaza tamintsika hoe : « izaho avy mba hananany fiainana , sady hananany be dia be « (Jao 10.10

Fanontaniana:

Hazavao araka izay hevitrao ny Ohabolana 9.10

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM