SALAMO 104.24-35
Mahagaga ny asan’Andriamanitra

Raha mandinika isika dia hahatsapa fa izay rehetra noharian’Andriamanitra dia mahagaga avokoa .
1- Maneho ny fahendren’Andriamanitra (and 24)
Tsy hoe mahafinaritra ny maso fotsiny ny mahita ireo zava-boahary noharian’Andriamanitra,toy ny masoandro , na ny volana aman-kintana , ny tendrombohitra avo ,ny ranomasina midadasika, ny hazandrano isan-karazany sns…fa mahatonga antsika hahatakatra fa hendry Andriamanitra . Arindrany mba hifameno ny zavatra rehetra nohariany . Izy no mampisy hanina hohanin’ireo zava-mananaina any anaty ranomasina mba hahavelona azy (and27) . Hita miharihary eto ny fahendrena sy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra mikarakara sy mamelona ny zava-boahariny.Mampalahelo fa ny olombelona ihany no tena manimba sy mamotika izany.Ny fanariana fako sy akora simika any an-dranomasina dia miteraka fahasimban’ny tontolo iainana sady mamono ireo karazana hazandrano vaventy na madinika .
2- Mahatonga antsika hidera Azy (and 31-35)
Andriamanitra no Mpahary ny zavatra rehetra ka mendrika hoderaina indrindra (and31), ary tsy izany ihany fa Izy no manan-kery hifehy azy (and 32) sy miaro izany mba hahafahan’ny zanak’olombelona miaina sy mivelona eo aminy .Ny fahitana ny zavatra rehetra nohariany dia mahafaly avokoa ka mahatonga aingam-panahy hihira sy hankalaza Azy (and 33-34). Irintsika ny hitahiry izany ho an’ny taranaka mifandimby ka ho foana ny sain-dratsy manimba ny zava-boahary sy ny tontolo iainana (and35). Koa andeha isika hisaotra sy hidera an’Andriamanitra noho ny fahagagana ataony fa mahagaga ny Anarany .
Fanontaniana :
Inona no andraikitry ny fiangonana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM