MATIO 14.13-23
Onena i Jesoa O
Na dia nikasa hitokana miaraka tamin’ny mpianany aza i Jesoa dia nanaraka Azy hatrany ireo vahoaka ka nahonena Azy.
1-Onena i Jesoa ka nahasitrana ny marary (and 14)
Olona marary ny sasany tamin’ireo nanaraka an’ i Jesoa .Mitarika ny saintsika mba hanana fo antra sy onena manoloana ireo kristiana namantsika sy ny vahoaka izay ianjadian’ny fahasahiranana lalina izao fihetsik’i Jesoa izao .Tsy tokony hitazam-potsiny isika fa hanao izay rehetra azo hatao mba hanampiana ny mpiara-mivavaka izay tra-pahasahiranana.Izany no mahatonga ny fiangonana hanangana toeram-pitsaboana marary sy handray an-tanana araka izay azony hatao amin’ny fanampiana ireo izay tsy manam-bola hividianana fanafody noho ny hasarotry ny fiainana . Tena fanohizana ny asan’ i Jesoa ny asa fanasitranana ny olona amin’ny lafiny rehetra.
2- Onena Jesoa fa tsy manan-kohanina ny vahoaka (and 16)
Nanoso-kevitra ny amin’ny tokony handravana ny vahoaka ny mpianatra, kanefa nolavin’i Jesoa izany mba hanomezany azy ireo hanina amin’ny fomba mahagaga. Naniraka ny mpianany mba hanome hanina ny vahoaka Izy, kanefa tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa tany amin’izy ireo .Natolotra an’i Jesoa araka ny baikony izany , ary nihinana avokoa ny rehetra ka voky.Rehefa nangonina ny sisa tsy lany dia nisy roa ambin’ny folo harona . Izany hoe : samy nahazo iray harona avy ny mpianatra roa ambin’ny folo. Azo atao tsara ny manome izay kely ananana ho an’ny olona noana , raha izany no takian’nyTompo amintsika. Jesoa kosa no manao fahagagana amin’ny alalan’ny vavaka mialohan’ny sakafo. Fa Izy no mitahy sy mampitsiry ny vary .
Fanontaniana :
Inona no asa maika tokony ataon’ny fiangonana manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny mosary ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM