SALAMO 51.1-19

Ny lalan’ny fibebahana marina

Izay rehetra maniry hanana fiainam-baovao ao amin’i Kristy dia aoka samy haka lesona avy amin’ity vavak’i Davida ity .

1- Miaiky fa mpanota (and 3-6)

Fantatr’i Davida fa Andriamanitra dia mpamindra fo sy be fiantra ,ka raha te-hahazo famelan-keloka avy Aminy dia tsy maintsy miaiky fa diso.Toy ny olona mihosina amin’ny loto sy ny no fahatsapan’ i Davida ny tenany ka mila fotaka no fahatsapan’i Davida ny tenany ka mila fanadiovana (and 2),tsy mety afaka ao an-tsainy ny fahotany (and3). Nahatsiaro ho nanota tamin’Andriamanitra izy (and 4),tsy misy fanamarinan-tena azo atao afa-tsy ny mitsotra sy mibaboka eo anatrehan’Andriamanitra mba hahazoana famindrampo .Izany no atao hoe: fiaiken-keloka .

2-Mangataka ny hodiovin’Andriamanitra (and7-12)

Fantatr’i Davida ny voka-dratsy ateraky ny fialonana sy ny tsy fahazoana famelan-keloka.Mangataka izy mba ho voasasa sy voadio ka tsy hisy pentipentina na loto intsony , mba ho voakosoka eo anatrehan’Andriamanitra ny fahotany rehetra . Te- hanana fo sy fanahy vaovao izy (and10).Tsapany fa ny olona miaina anatin’ny loto sy ny fotaky ny fahotana dia tsy mahita fifaliana (and 8,12). Tsy te-hisaraka amin’Andriamanitra intsony izy.

3- Manolo-tena ho azy (and 12-19)

« dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao Aho ,ary ny mpanota hampiverenina Aminao »(and12). Ny fanoloran-tena hanao ny asan’Andriamanitra no porofon’ny fibebahana marina.Izay efa nandray famelan- keloka dia hanana finiavana hamonjy ny hafa ,hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra (and15). Ny fanatitra tsara indrindra dia ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny fo manetry tena sy tsy miavonavona .

Fanontaniana:

Efa vitanao ve ireo dingana telo ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM