Alahady 06 Novambra 2022

by Mofonaina–SA-FJKM

Isaia 35 : 1-4

Miomana handray ny Tompo ry reraka am-po

1. Fa ho avy Izy

« Lazao amin’izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana » Andriamanitra mandray andraikitra no hita amin’ity faminaniana ataon’i Isaia ity. Andriamantra mihitsy no mandray mivantana ny amin’ny famaliana sy ny famonjena ny olony. Ao an-tany fahababoana ny olony no hilazany fa Izy no hitondra ny olona hiala amin’ny toeram-pahoriana. Ianao ihany koa anio no ilazany izany teny izany. Ho avy i Jesoa handray ny adinao hiasa Izy araka ny voasoratra hoe « Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa, diovina ny boka, ary malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. » (Mat. 11:5). Ny anjaranao kosa dia ny manatona Azy ary mitondra izay mahavesatra eo aminy fa toky efa nomeny indrindra ny hoe: « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana « (Mat 11.28)

2- Fa hovany ny tontolo

Tany efitra, tany karankaina, tani-hay. Toerana samy tsy azo iainana ireo. Toerana milaza tsy fisim-piainana mihitsy. Kanefa dia ambaran’ny Tompo hoe  » Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. » Toa izany no fiovan’ny fiainana izay itoeran’Andriamanitra. Ary ny fiainantsika ihany koa dia ho toy izany rehefa omentsika toerana ao amin’ny fontsika Jesoa. « Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manalona Ahy ianareo hanananareo fiainana » (Jao 5.39-40). Inona moa no andrasantsika tsy handray ny fiainana be dia be omen’i Jesoa e? Hevero ny Tenin’i mpanao salamo: « Andramo ka izahao… » fa tsara i Jesoa!

Fanontaniana: Raha ho avy Tompo, inona no ambaranao Azy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fjkm Filadelfia