2 TANTARA 34.29-33

Mampiavaka an’i Josia mpanjaka ny fahasahiany nanao fanitsiam-pivavahana tamin’ny androny rehefa hita indray ny bokin’ny lalàna .Modely noomen’ity mpanjaka hendry ity fa manana adidy isika :

1-Hanao izay handrenesan’ny olona rehetra ny Tenin’Andriamanitra (and30)

«  dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema …na lehibe na kely dia novakiany teo antrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena … » hoy ny fitantarana eto .Maneho amintsika izany fa rehefa resy lahatry ny Tenin’Andriamanitra i Josia dia noraisiny ho andraikitra ny manao izay hampitana izany ko amin’ny mpiray firenena aminy , amin’ny sokajin’olona rehetra araka ny voatanisa eto . Moa ve tsy izany koa no nataon’i Jesoa ? Hitaomana antsika izany tsy ho tafandry mandry fa rehefa mahalala izany amin’ny hafa .Torio àry ny teny .Hamafiso ny tafika masina !

2-Hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika (and31)

« Ary ny mpanjaka dia nanao fanekena teo anatrejan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny … »Tsy mputari-bato vilam-bava i Josia ary tsy hoe : mitory ka tonga amin’ny hoe : « aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho « , fa izy tenany mihitsy no lohalaharana maneho ampahibemaso ny fahavononany hanompo an’Andriamanitra .Tsy menatra izy ary tsy misy fihambahambana kely akory , sady tsy tamin’ny teny ihany fa narahiny asa izany ka « manaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’israely izy » (and 33).Isika koa taomina haneho miharihary ny finoantsika amin’ny teny sy asa.

Fanontaniana :

Inona n manakana anao tsy hanao tahalka an’i Josia ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM