MATIO 5.21-26
Ao anatin’ny toriteny nataon’i Jesoa tany an-tendrombohitra ny mofonaina anio .Manamarika ity toritenin’i Jesoa ity ny fitondrany fahazavan-tsaina vaovao sy fomba fijery mihamazava ny lalàna voasoratra .Ampianarin’i Jesoa ny tena zava-dehibe isika anio
1-Heloka ny mankahala (and22)
« fa izaho kosa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra aamin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ... » Misongadina eto fa ny hevitry ny hoe: « mamono olona » araka izany dia tsy izay fihetsika mandatsaka aina ihany na fivelezana kibay , fa raha vao tezitra ao am-pony dia efa meloka .Raha izany , firy izay ny olona efa matinao ?
2-Zava-poana ny fanatitra mbola rahonan’ady
« Avelao eo amin’ny alitara ny fanatitrao , ka mandehana ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao … »(and24) , hoy i Jesoa .Azo takarina avy amin’izany fa raha mbola tsy milamina ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia tsy misy heviny ny fanatitra ataontsika fa ho very maina izany .Ataovy laharam-pahamehana ary ny famerenana amin’ny laoniny izay fifandraisana tapaka na inona na inona antony mba tsy ho mpivavabava-poana isika .Aza mangataka andro fa tanteraho amin’izao fotoana izao izay tokony atao .
3-Hanenenana ny manavato fo (and26)
« ...lazaiko aminao marina tokoa , tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-pandoanao ny variraiventy farany » . Izany hoe : mbola misy ny fotoana hahazoana mandravona ny fihavanana , dia ataovy izany fa hanenenana ny fiziriziriana sy ny fanamafisam-po .Tsy hitondra fiadanana izany fa ho vesatra aza.Koa mandefera , ataovy ny dingana voalohany na tsy ianao aza no diso .Mianara amin’i Jesoa , manatona !
Fanontaniana:
Ahoana ny fanapahankevitrao manoloana ny hafatra anio ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM