JOSOA 24.14-24
Mananatra antsika ny mofonaina anio hoe : Henoy ny mpitarika nomen’Andriamanitra
1-Mitaona antsika hanompo (and4)
« Koa ankehitriny , matahora an’i Jehovah ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy amin’ny fahamarinana… » Teny farany nataon’i Josoa tamin’ny Israely izany .Nampahatsiahiviny fa efa namonjy azy ireo tao anatin’ny fahoriany ny Tompo ka taominy hanompo an’Andriamanitra amin’ny fitiavana sy fanajana ( Izany no hevitry ny teny hoe : matahora) ny vahoaka .Tahaka izay ampahatsiahivin’iJosoa eto ny nataon’iJesoa tamin’ireo izay nositraniny , nalany tamin’ny geja tsy nahafahan’izy ireny nanompo an’Andriamanitra izy.Hitaomana antsika koa izany dia isika izay efa nandray ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba hanompo marina an’Andriamanitra tsy ho gejain’ny endrika sampy samihafa intsony , satria efa nafahany sy novonjeny .
2-Aoka ho marina amin’ny fanekena ( and 24)
“Jehovah Andriamanitray no hotompoinay , ary ny feony no hohenoinay” , hoy ny vahoaka .Tsy eto ihany fa isaky ny avy miteny I Josoa dia mamaly sy manaiky hatrany ny olona (and16,21,22) fa tena hanompo an’Andriamanitra tokoa ary ny hanary ny sampiny . Faka tahaka izao nataon’ny vahoaka izao ho antsika fiangonana, saingy raha zohina ny tantara , aorian’izao dia miverina mahafoy an’I Jehovah indray, tahaka ny tsy izy ilay nanao fanekena teo .Maro koa ny milokaloka fa noraisina ho mpandray ohatra , saingy volana vitsivitsy monja dia tsy hita ; notokanana ho diakona dia iny no niditra am-piangonana farany .Hoy I Jesoa : “aoka ny teninareo ho eny , eny ,tsia ,tsia “ (Mat 5.37) .Ary tsarovy fa ny olona vanona ihany no manatanteraka ny fanekena nataony .
Fanontaniana :
Inona no hatao mba hanatanterahana ny fanekena natao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM