Asan’ny Apostoly 17. 16-31

Fomba fitory an’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ ny maty

1-Fampahafantarana an’i Jesoa

« …toa mitory Andriamanitra vaovao izy... » (and. 18b) hoy ny filazan’ ny olona sasany niady hevitra momba izay nolazain’iPaoly. Nanaitra ny fahalianan’ny Ateniana, fa indrindra ireo heverina ho avara-pianarana ny firesahan’i Paoly ny amin’iJesoa satria tsy hoe tsy nivavaka akory izy ireo. Tena efa nivavaka tokoa saingy tamin’ireo andriamanitra marobe notompoiny dia tsy mbola nisy na iray aza ka hoe nitsangana tamin’ny maty. Io fahaiza-mampahalala an’i Jesoa io no teboka iray nahazoan’ i Paoly nampiditra ny Filazantsara.

2-Fiaingana amin’ ny zava-misy

.. .koa izay ivavahanareo nefa tsy fantatrareo dia izany notoriako aminareo » (and 23) hoy i Paoly manararaotra izao fahalianan’ny Ateniana izao. Tsikaritra fa nanana fahazavan-tsaina i Paoly eto ka niainga tamin’ izay fanaon’ny olona nefa manjavozavo amin’izy ireo no nitondrany ny resaka. Moa ve tsy fomba fanaon’i Jesoa ihany ity anaran’i Paoly ity, miainga amin’ny hitan’ny maso sy ny azo tsapain-tànana tamin’ ireo andriamanitra marobe .

3-Fitaomana ny olona hibebaka

« Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny lzy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka« . Asongadin’i Paoly eto fa izay efa vitan’ny olona tany aloha dia vitany rehefa nampahafantarina azy ireo kosa i Jesoa mpamonjy, llay Andriamanitra velona, nandresy ny fahafatesana dia heloka ho azy ireo ny tsy finoana sy ny tsy fanekena handray Azy. Taomy hitodika amin’Andriamanitra àry ny olona.

Fanontaniana:

Misy fomba hafa ihany koa ve hahazoana mitory an i Jesoa maty sy nitsangana tamin ny maty amin ny fiaraha-monina mbola diso làlana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM