2 KORINTIANA 5.11-21

Ny olom-baovao ao amin’i Kristy

1-Vita fihavanana amin’Andriamanitra

« Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany  » (and19)

Teny manambara ny fahafenoan’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy no hita eto . Izy no mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona ary asan’Andriamanitra ny fampihavanana ataon’i Kristy.Nampihavana ny olona tamin’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy ka izay rehetra nandray izany fampihavanana izany no tonga olom-baovao ary ny olona izay nandray ny fampihavanana nataon’i Kristy ihany no vita fihavanana amin’Andriamanitra .Koa minoa an’i Jesoa Kristy , maneke ny fampihavanana nataony dia hihavana amin’ Andriamanitra ianao.

2-Mitondra fampihavanana

« Koa dia iraka solon’i Kristy izahay …mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo  » (and20)

Paoly Apostoly rehefa nahatsiaro ho vita fihavanana amin’Andriamanitra , nanolo-tena ho an’i Kristy dia nitaona ny hafa hihavana amin’Andriamanitra , amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany koa. Tsy nanira-tena anefa i Paoly amin’izany fa nanao ny iraka nampanaovin’i Kristy azy . Sady miasa amin’ny Anaran’i Kristy no misolo tena an’i Kristy mitaona ny hafa hihavana amin’Andriamanitra .Adidin’ny olona izay efa nandray ny famonjena vokatry ny fampihavanana nataon’i Kristy ny mitaona ny hafa . Taomy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy hihavana amin’Andriamanitra ny olona mba hahazoany fanamarinana avy amin’Andriamanitra ihany koa.

Fanontaniana :

Inona no sakana mahatonga anao ratsy fihavanana amin’Andriamanitra ? Ahoana ny fomba hialana amin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM