MARKA 7.1-13

Ny olona mitana tsara ny didin’Andriamanitra

1-Miala amin’ny fihatsarambelatsihy

« Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ny olona  » (and8) . Fatra-panaja ny fombam-pivavahana sy ny fanao amin’ny endrika ivelany mba hideran’ny olona azy ny Fariseo. Anisan’izany ny fanasana tànana .Tsy nitandrina izany anefa ny mpianatr’i Jesoa Kristy ka nahatonga ny Fariseo hanontany ny antony .Mariky ny fialana amin’ny didin’Andriamanitra izany amin’i Jesoa .Rehefa variana mitana ireo fombafombam-pivavahana amin’ny endrika ivelany fotsiny ihany ny olona , kanefa tsy misy finoana an’i Jesoa Kristy dia mpihatsaravelatsihy .Fihatsarambelatsihy ny fanaovana sy ny fandraisana ny fombam-pivavahana , kanefa tsy miaina ny sitrapon’Andriamanitra .Aoka ho marina amin’ny finoana.

2-Mandray ny fampianaran’Andriamanitra

« ka dia foananareo ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo... » (and13). Fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razana mihoatra noho ny fampianaran’ny Soratra Masina ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna .Izany fomba fanao izany dia nitarika hatrany amin’ny fandikana ny didin’Andriamanitra mihitsy .Fampianarana mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra no nataon’izy ireo .Rehefa variana amin’ny fampianarana voatolotry ny razana ny olona , dia hahafoy ny fampianaran’i Kristy .Tsy eken’i Jesoa Kristy mihoatra noho ny didin’Andriamanitra ny fampianarana voatolotry ny razana .Noho zany , izay rehetra mpianatr’i Kristy dia mandray ny Tenin’Andriamanitra ho mihoatra noho ny fampianarana voatolotry ny razana .

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona mazoto mandray ny fombam-pivavahana ka tsy mitandrina ny Soratra Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM