MARKA 4.35-41

Andriamanitra Mpahary no mahafehy izao tontolo izao , ary na dia miezaka aza ny olombelona dia tsy hahafehy mihitsy .Ohatra amin’izany ny rivodoza. I Jesoa ihany no mahafehy ny voahary manontolo satria

1-Manana fahefana amin’ny zava-boahariny Izy

Niteny mafy ny rivotra i Jesoa dia nangina tokoa ny rivotra sy ny ranomasina .Gaga ny mpianatra hoe: « tena mahery izany« (and39). Fa tena mahery ny Tompo satria Tompon’ny fahefana amin’ny zava-boahariny Izy .Izy no namoronana izao rehetra izao araka ny teny izay hitantsika ao amin’ny Jaona 1.3/ »Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza  » Mahery Izy e! Izany no Tompontsika ka tokony ho faly manana Azy isika olony .

2-Mamela ny mpianany hiatrika ady indraindray (and 38d)

Efa fantatr’i Jesoa ny hitranga , kanefa dia natory Izy teny an-dàlana ary tsy nifoha mihitsy raha tsy nofohazin’ny mpianatra , satria efa vaky ny sambokely.Mba manana fahefana amin’ny toy izany koa Izy .Tsy voatery hoe : tsy hisy haninona ny olony .Fa mba tiany raha mba mampiasa ny finoana ananany ny mpianatra.Fa tsy hiandry Azy , satria mba natory Izy . Ka moa ve tsy manana fahefana hatory koa Izy.Eny , tena manana Izy .Toy izany koa isika : misy fotoana mba havelany ho tojo zava-tsarotra kely , saingy asainy mahaleo tena kely isika e! Ampiasaina araka izany avy hatrany ny finoana izay mampiavaka antsika amin’ny olona maro eto amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana :

Efa nandalo vanimpotoana toy izany ve ianao , toy ny tsy mahita ny fahorianao izany Izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM