Jaona 20. 1-10

Foana ny fasana

Anisan’ny foto-pampianarana manan-danja ao amin’ny Soratra Masina ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro izay mitovy amin’ny Alahady ankalazaintsika ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia nandeha nankany amin’ny fasana i Maria Magdalena.

Foana ny fasana satria :

  • Efa voaisotra ny vato teo amin’ny fasana, izay no nahatonga azy nihazakazaka niverina nilaza tamin’ny mpianatry ny Tompo (nalain’ny olona tao am-pasana ny Tompo).
  • Rehefa niondrika nitsirika izy ireo dia nahita lambam-paty nipetraka teo, ary ny mosara izay nafehy ny lohany. Efa nitsangana ny Tompo tsy voahazon’ny fahafatesana.
  • Dia nanaraka an’i Petera koa ilay mpianatra anankiray. Nahita izy dia nino. Ilay nofo mangatsiakan’i Jesoa tsy tao intsony no ninoany (foana ny fasana).
  • Nitsangana i Jesoa, resiny ny fahafatesana. Nandresy ny fahafatesana ny Tompo satria foana ny fasana. Isika koa dia ho mpandresy tahaka ny Tompo Jesoa, satria efa foana ny fasana, efa resy ny fahafatesana.

Fanontaniana :

Mba efa nofoananao teo amin’ny.fiainanao ve ireo endri-pahafatesana izay mangeja anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM