Marka 5. 35-43
Jesoa Kristy maneho ny maha-Andriamanitra Azy
1 – Mitaky finoana (and. 36)
Nidina ny sambokely i Jesoa dia nanatona Azy i Jairo niangavy Azy mba hamonjy ny zanany vavy 12 taona efa ho faty. Teny an-dàlana ho any an-tranon’i Jairo anefa dia nisy hafa koa. Nanendry ny fitafian’i Jesoa izy dia tsapany fa nisy hery niala taminy. Sitrana ilay marary, nidera azy tamin’ny finoany Izy. Tao anelanelan’izay fotoana izay dia maty ilay zanakavavin’i Jairo, nefa hoy Jesoa : « Minoa fotsiny ihany », izany hoe manome toky mihitsy i Jesoa, nanala ny tahotra tao anatiny ho tonga finoana. Tsy finoana miankina amin’ny zavatra hita maso na ren’ny sofina no ilain’i Jesoa, fa finoana Azy, izay manana ny fahefana hanangana ny zanany. Rehefa mitodika amin’Andriamanitra tokoa mantsy ny olona iray rehefa tojo zava-tsarotra dia omen’Andriamanitra fanantenana ka tsy kivy. Finoana ihany no takian’i Jesoa eto satria ny finoana dia tapa-kevitry ny olona iray samirery ary mandresy zavatra maro. Meteza ary ho olon’ny finoana an’i Jesoa.
2 – Mitsofoka amin’ny fiainan’ny olony (and. 40)
Rehefa maty ilay zanakavavin’i Jairo dia nanomboka ny fomban-drazana momba ny fisaonana. Teo ihany koa ny tabataban’ny olona, fitomaniana. Rehefa nilaza indray i Jesoa hoe : « Tsy maty razazavavy fa matory » (and. 39) dia nihomehezan’ny olona Izy satria ireo tsy mba nanam-pinoana. Ny fihetsik’i Jesoa eto dia tena maneho fa raisiny an-tànana ny fiainan’ny olony, na manoloana ny fahafatesana aza izay heverina fa marary amin’ny maha-olombelona. Ampandrosoy eo amin’ny fiainanao ary i Jesoa, fa Izy irery ihany no mahay mandamina sy mandrindra ny toe-javatra miseho amin’ny fiainana.
Fanontaniana :
Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao tokoa ianao, manao ahoana ny fiainanao miaraka Aminy ?