Romana 8. 31-39

« Ny hiran’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona. »

Voalaza voalohany eto ary fa tahaka ny voapanga eo anoloan’ny fitsarana ny olona, tsy afaka hiaro tena noho ny fahotany kanefa ambara mazava kosa fa izay mino an’Andriamanitra dia ombany ka omeny vahaolana noho izany tsy hisy afaka hiampanga azy velively.

Raha misy miampanga àry ny olon’Andriamanitra dia Andriamanitra mihitsy no manamarina azy, raha misy manameloka indray dia i Jesoa Kristy no efa maty nisolo ny heloky ny olony ary efa nitsangana koa fa mifona ho an’ny olona mandrakariva. Mariho tsara izany fa na amin’ny fahafatesany, na amin’ny fahavelomany dia mihevitra ny olony hatrany Izy.

Izany zavatra rehetra izany dia foin’Andriamanitra ho an’ny olona maimaim-poana. Izany no ambara hoe fitiavan’Andriamanitra ny olony.

Manoloana izany ary, inona no andrasan’ny Tompo ? Ny zava-misy manodidina ny olona dia manao izay ampisarahana azy amin’ny Tompo hatrany, araka ny voalaza eto toy ny fahoriana, ny fahantrana, ny fanenjehana, ny mosary, ny fitanjahana, ny loza, ny sabatra kanefa raha tena resy lahatra amin’ny fitiavan’ny Tompo azy kosa ny olona dia tokony ho vonona hanohitra izany rehetra izany. Voalaza eto mantsy fa raha mino sy mahatoky Azy tokoa ny olona dia afaka hanampy azy ny Tompo araka ny ambara eto hoe tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy na inona na inona.

Fanontaniana :

Fantatrao, tsapanao, iainanao ve ny hiran’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona ?